<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>719</hymn_number>
<title>Efa lasan-davitra FFPM719</title>
<lyrics>[V1]
 Efa lasan-davitra,
 Ka hariva izao ny andro ;
 Hianao no Masoandro,
 Ry Andriamanitra,
 Mba arovinao ny aiko,
 Fa atolotro Anao ;
 Ampidiro ao am-poko
 Izao ny fiadananao.

[V2]
 Raiso ny fisaorako,
 Ka tondraho ranon'aina
 Ny fanahy aman-tsaina,
 Mba ho velona izao,
 Dia hamoa voa tsara
 Amiko ny teninao,
 Ka ho tiako hambara
 Ny fahasoavanao.

[V3]
 Ry Andriamanitra ô !
 Hitanao ny fahotako,
 Fantatrao ny fahosako ;
 Mamindrà fo amiko ;
 Izaho tsy misalasala
 Mba hanatona Anao,
 Fa ny Zanakao malala
 Maty noho ny otako.

[V4]
 Izaho ta-hatory izao,
 Fa mba sasatra niasa ;
 Tsy heveriko ny lasa,
 Fa apetraka aminao
 Aoka aho mba hahazo
 Fitsaharana izao ;
 Raha maraina mba fohazy,
 Dia hankalaza Anao.

[V5]
 Kintan'i Jakoba ô,
 Sady Masoandron'aina,
 Hazavao ny fo sy saina,
 Mba tsy hatahorako
 Ny mpanimba sy mpandoza,
 Liona mierona,
 Izay minia hampidi-doza
 Andro aman-alina.

[V6]
 Arosoy ny teninao,
 Hazavao ny firenena,
 Mba ho samy hanantena
 Famonjena aminao ;
 Ka ny manam-pahefana
 Aoka hotarihinao,
 Mba hitondra fanjakana
 Araka ny sitrakao.

[V7]
 Fantatrao, Jesosy ô,
 Izay rehetra mitaraina
 Ka miandry ny maraina
 Sy ny fahasitranana ;
 Ny kamboty sy mahantra
 Aoka hotsarovanao ;
 Ry Sakaizanay Mpiantra,
 Iantrao ny olonao.</lyrics>
</song>